
Anio, 5 jona 2025, tao amin’ny FJKM Salema Vaovao 67 Ha no nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra sy fitondrana am-bavaka ho
fametrahana arakin’ny fombam-piangonana an’Andriamatoa RAZAFINDRAMANITRA Nestor, Mpitandrina, mivady ho Talen’ny Aumônerie eo anivon’ny Fitaleavam-Paritry ny Fandraharan’ny Fonja Analamanga.
Amin’ny maha-iraka sy mpiandraikitra ara-panahy eo anivon’ny Aumônerie Foiben’ny FJKM, dia natokana sy nirahana manokana izy mivady hanompo sy hitarika ny asa fanompoana ara-panahy ao anatin’ny tontolon’ny Fonja. Ny andraikitra ho raisin’izy ireo an-tanana dia ny fikarakarana ara-pivavahana sy fanohanana ara-panahy ao amin’ireo Fonja miisa enina lehibe eto amin’ny Faritra Analamanga dia ny Fonjan’Antanimora, ny Fonjan’Ankazobe, ny Fonjan’i Manjakandriana, ny Fonjan’Avaradrano, ny Fonjaben’i Tsiafahy ary ny ivo-toerana fanarenana toe-panahy sy fitondran-tena ao Mandrosoa na (Centre de Réeducation Mandrosoa) Ambohidratrimo.
Nanome voninahitra sy nanatrika ity fotoana iombonana ity ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Ramatoa Tahian’Ny Avo RAZANAMAHEFA.
Nanatrika izany ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony ato amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo tompon’andraikitra ato amin’ny Fandraharana ny Fonja.
Andriamatoa RAKOTOBE Rajaomanjato Dodaherisoa, Mpitandrina, avy amin’ny Birao Mpiandraikitra Foibe (BMF) FJKM no nitondra ny Tenin’Andriamanitra, izay nankaherezana ny mpanompony amin’ny fanatontosana ny iraka vaovao natokana ho azy, ka ny teny soratra masina nangalana ny hafatra dia izay hita ao amin’ny Filazantsara nosoratan’ny Matio 25: 35,40 manao hoe « tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo…. Araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto ralahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. »
Nisy ny fandraisam-pitenenana manokana nataon’ny Minisitry ny Fitsarana, izay nitsodrano ny Mpitandrina mivady amin’ny iraka masina izay ho sahaniny, sady ihany koa ny nanehony fanohanana manokana amin’ireo asa masina, mba ho fankaherezana sy fankasitrahana ny ezaka ara-panahy mbola hatrehin’izy ireo eny anivon’ny fonja