Androany 28 Aprily 2025 dia notanterahana teny amin’ny Pôle Anti-Corruption 67Ha ny fananganan-tsaina, izay notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa eto amin’ny Fitsarana.
Nandritrin’ny ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra dia naneho fisaorana sy fankasitrahana feno an’ireo mpiara-miasa rehetra izy tamin’ny fikarakarana ireo hetsika lehibe roa izay nisy teto amin’ny firenena, dia ny fitsidihana ara-panjakana izay nataon’ny Filoham-pirenana Frantsay Emmanuel MACRON sy ny fihaonamben’ny Filoham-pirenena ao amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina na ny « COI ».
Nampitainy ihany koa ny hanatanterahana amin’ny zoma ho avy izao ny fametrahana amin’ny toerany ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony Mahajanga, Andriamatoa RAMANANJARA Barijaofetra Emmanuel.
Farany dia nambaran’Andriamatoa Minisitra, fa tanteraka soa aman-tsara manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana hidirana ho mpiraki-draharaha, ary namafisiny hatrany ny ady amin’ny kolikoly.
Tamin’ny famaranana, dia nitondra teny fankaherezana, fisaorana ary tso-drano ho an’ireo mpiara-miasa aminy ny Tenany.