Notontosaina anio 28 Aprily 2025 ihany koa ny fanokafana ny Atrikasa Famolavolana ireo Lalàna Malagasy mifehy ny Fivarotana sy Fividianana Fitaovam-piadiana mampidi-doza Midi-droa izay notanterahana tao amin’ny « Hôtel Radisson Blue » Ankorondrano.
Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Tsara ny manamarika fa ity atrikasa ity dia efa dingana fahatelo, ka tamin’ny volana desambra teo ny faharoa.
Haharitra roa andro izany atrikasa izany dia ny 28 sy 29 avrily 2025. Fampiarana ny fanapahan-kevitra 1540 izay noraisin’ny Firenena Mikambana sy Fampahafantarana ny fampiasana an’ireo fitaovam-piadiana mampidi-doza midi-droa no anisan’ny ho dinihana mandritra izany.
Ny tanjona amin’izao atrikasa izao dia ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fandaminana sy fanaraha-maso ireo fitaovana ireo