MINISITERAN’NY FITSARANA MANDRAY ANJARA AMIN’NY ADY AMIN’NY FANDOTOANA NY TONTOLO IAINANA.

📌Androany 12 Septambra 2025, dia notanterahana tao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tao Ampandrianomby ny lanonana fanolorana fitaovana natao hanaraha-maso ny tontolo iainana sy fitaovam-piarovana manokana ho an’ireo polisy manokan’ny tontolo iainana (OPJE : Officiers de Police Judiciaire de l’Environnement).

⭕Nisongadina tamin’ireo natolotra, ny fitaovana fandrefesana ny setroka mivoaka avy amin’ny fiara sy fitaovana ho an’ny fitsirihana ny fampiasana merikiora, ny entona manempotra (CO2), niampy ireo karazam-pitaovana sy fanamiana manokana (équipements de protection individuelle) ho fiarovana ireo mpiasan’ny OPJE eo am-panatanterahana ny asa.

➡️Natao izao mba hanamorana ny asa fitsirihana sy ho fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana, ka hanatsarana ny vokatra azo amin’ny ady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana sy ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

🔷Maneho fanohanana mivaingana amin’izany ny Minisiteran’ny Fitsarana, koa nanome voninahitra ny lanonana, nisolotena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina, izay fiaraha-miasa lehibe amin’ny fanamafisana ny fampiharana ny lalàna.