FIFAMINDRAM-PITANTANANA TEO ANIVON’NY MPANDRINDRA NY « FANDAHARAN’ASA FANARENANA ».

📌Tontosa ny 11 septambra 2025 ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Mpandrindran’ny Fandaharan’asa Fanarenana na ny «Coordonnateur du Programme» Ramatoa RADANIELSON RAHARINIRINA HAINGO Felaniaina Chrisitinah teo aloha sy Andriamatoa ANDRIAMIHARITSOA Tinahasina Erick Anthony mpitantana vaovao.

⭐Nanatrika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RABEARISOA Rochel.

✅Vonona amin’ny andraikitra vao noraisiny ny mpandrindra vaovao ary naneho fankasitrahana sy fisaorana noho ny fitokisana napetrak’Andriamatoa Minisitra sy ireo tompon’andraikitra ambony rehetra taminy, ary hanohy ireo fanatsarana izay napetraky ny teo aloha.

➡️Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera Jeneraly dia nitondra teny fiarahabana ny tenany, izay nisolotena an’Andriamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, amin’izao fanendrena izao ary koa nirary soa azy amin’ny andraikitra vaovao izay ho sahaniny izao.