
Notanterahina androany faha 05 septambra 2025 ny lanonana fifamindram-pitantanana teo aminโ Atoa ANDRIANTSOAMANALINA Radonirina Eric, Mpandrindra ny tetikasa teo aloha sy ny mpandimby azy, Atoa RAKOTOMALALA Juliard Auguste.
Nisolo tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis taminโizany, ny Sekretera Jeneralinโny Ministeranโny Fitsarana, Rtoa BELALAHY Hanitriniaina.
Tao aminโny lahatenininโAtoa ANDRIANTSOAMANALINA Radonirina Eric dia nampatsiahy ireo zava-bita nandritra ny fotoana nitantanany sy nanindry ny fahafaham-ponโny mpamatsy vola dia ny Agence Franรงaise pour le Dรฉveloppement (AFD) manoloana ny zava-bita izy.
Ny Mpandrindra vaovao, Atoa RAKOTOMALALA Juliard Auguste kosa nanolotra fisaorana anโAtoa Mpandrindra teo aloha noho ny fototra sy ny asa efa vita ary naniry ny fanatsarana kokoa ny fiaraha-miasa eo aminโny ekipa. Nitondra teny fisaorana sy fankatelemena manokana anโAtoa Ministra sy ny mpitantana ny Ministeranโny Fitsarana ihany koa izy noho fahatokisana taminโny fanendrena azy.
Ramatoa Sekretera Jeneralinโny Ministeranโny Fitsarana kosa rehefa nandray fitenenana dia nankasitraka ny fahazotoana sy ny fandraisana andraikitra nanananโAtoa Mpandrindra teo aloha ary niarahaba azy taminโireo zava-bita azo tsapain-tanana. Nirary soa ny Mpandrindra vaovao ihany koa izy sady nanasongadina ny mahazava-dehibe ny fiarahamiasa eo aminโny Ministeranโny Fitsarana sy ny AFD aminโny alalanโity tetikasa PAJMA ity.