
Androany 08 Septembra 2025, dia notanterahana teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fananganan-tsaina, izay notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra ary nanatrika sy nanome voninahitra izany ihany koa ny solontena avy ao amin’ny Masoivohon’ny firenena Amerikanina.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra no nanolorany fisaorana an’ireo rehetra nikarakara ka nahatontosana soamantsara ny fitokanana ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fanolorana ny Fonjabe tany Belo amoron’i Tsiribihina ny zoma 05 septembra 2025 lasa teo izay natrehan’Andriamatoa hajaina Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Andriamatoa NTSAY Christian, Praiministra lehibe ny Governemanta.
Nitondra fisaorana manokana ho an’Andriamatoa Filoha hajaina nohon‘ny fanomezana « fourgon cellulaire » isaky ny fonjabe rehetra misy eto Madagasikara, ary tsy hadino tamin’izany fisaorana eram-po eran-tsaina izany ny nanolorana vary miisa 150 gony an’ireo voafonja tao Morondava.
Toy ny mahazatra dia niroso avy hatrany tamin’ny fivoriana niarahana tamin’ny « STAFF », ny Minisitry ny Fitsarana ary nanatrika izany ihany koa solontena avy amin’ny Masoivohon’ny firenena Amerikanina. Nifantoka bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny fiarahamiasa entina hanatsarana ny fandraharana ny fonja ny fivoriana ho an’ny anio.