
Androany 08 aogositra dia nitsidika ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Solombavambahoaka voafidy tao Vangaindrano, Andriamatoa Tojosoa Ideal.
Nisy Arak’izany fitsidihana ara-pomba fanajana ; fa ankoatr’izany, amin’ny maha Minisitra mpiahy ny faritra Atsimo Atsinanana an’Andriamatoa Minisitra, dia nifantoka tamin’ny fijerena ireo tetik’asa sy fotodrafitrasa hampandrosoana ny Distrikan’i Vangaindrano ny lahadinika ; isan’izany ny fanatsarana ny tolotra ara-pitsarana hisitrahan’ny olom-pirenena.