
Nanatanteraka fanadiovana faobe, anio 29 Jolay 2025, ny fianakaviambenโny Fitsarana, izay natao tety aminโny faritra manodidina ny Minisiteranโny Fitsarana ; izay notarihanโny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Niainga avy taminโny toerana samy hafa ireo mpandray anjara rehetra, nisy teny amin’ny Lycรฉe Jules Ferry Faravohitra, FJKM Ambatonakanga ary Pharmacie Pergola Antaninarenina, ka samy nifarana teo amin’ny Minisiteranโny Fitsarana.
Izao fanadiovana lehibe izao dia fanehoana firaisan-kina ao anatin’ny Fianakaviamben’ny Fitsarana, adidy ihany koa aminโny maha olom-pirenena, indrindra ho fandraisan’andraikitrinโny Minisiteranโny Fitsarana aminโny fanomanana ny fandraisana ara-panjakana ny fivoriana faratamponโny SADC, sy mba ho voninahi-pirenena aminโny fandraisana ireo vahiny.
Nandray anjara taminโizany ny Minisiteranโny Fitsarana foibe, ny Fitsarana Tampony sy ny Filan-kevitra Amboninโny Mpitsara, Ny Tendrom-pitsarana Miady aminโny Kolikoly, Ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha, Ny Fitsarana Ambony, ny Fitsarana Ara-bola sy ny Fitsarana Misahana ny ady ifanaovana aminโny Fanjakana, ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ary ny ao aminโny Fandraharahana ny fonja.
Ny zoma 01 volana aogositra 2025 kosa dia hitohy eny aminโny faritra Andohatapenaka indray ny asa fanadiovana izay ho ataonโny fianakaviambenโny Fitsarana.