29 andro mialohan’ny Fihaonana an-tampon’ny SADC eto Antananarivo !

Afaka iray volana dia handray ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta mpikambana ao amin’ny SADC eto Antananarivo isika. Mandritra izany no handraisan’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fitantanana ny SADC.

Ity andiany faha 45-n’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta ity dia hifantoka amin’ny loha-hevitra hoe : « Ny Fampiroboroboana ny Indostria, sy ny fanavaozana ny rafi-pambolena, ary ny fitsimbadihana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina no ho hery fanoitry ny SADC matanjaka ».

Mandritra izany fivoriana izany dia hiara-hamaritra vaha-olana azo tsapain-tanana sy mivaingana ho an’ireo firenena 16 mpikambana ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta mpandray anjara.

Araho tsy tapaka amin’ny pejy ny fanomanana sy ireo fanambarana lehibe ary ireo fotoan-dehiben’izany fivoriana izany.