
Nanatanteraka fanadiovana faobe, anio 29 Jolay 2025, ny fianakaviambenβny Fitsarana, izay natao tety aminβny faritra manodidina ny Minisiteranβny Fitsarana ; izay notarihanβny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.
Niainga avy taminβny toerana samy hafa ireo mpandray anjara rehetra, nisy teny amin’ny LycΓ©e Jules Ferry Faravohitra, FJKM Ambatonakanga ary Pharmacie Pergola Antaninarenina, ka samy nifarana teo amin’ny Minisiteranβny Fitsarana.
Izao fanadiovana lehibe izao dia fanehoana firaisan-kina ao anatin’ny Fianakaviamben’ny Fitsarana, adidy ihany koa aminβny maha olom-pirenena, indrindra ho fandraisan’andraikitrinβny Minisiteranβny Fitsarana aminβny fanomanana ny fandraisana ara-panjakana ny fivoriana faratamponβny SADC, sy mba ho voninahi-pirenena aminβny fandraisana ireo vahiny.
Nandray anjara taminβizany ny Minisiteranβny Fitsarana foibe, ny Fitsarana Tampony sy ny Filan-kevitra Amboninβny Mpitsara, Ny Tendrom-pitsarana Miady aminβny Kolikoly, Ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha, Ny Fitsarana Ambony, ny Fitsarana Ara-bola sy ny Fitsarana Misahana ny ady ifanaovana aminβny Fanjakana, ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ary ny ao aminβny Fandraharahana ny fonja.
Ny zoma 01 volana aogositra 2025 kosa dia hitohy eny aminβny faritra Andohatapenaka indray ny asa fanadiovana izay ho ataonβny fianakaviambenβny Fitsarana.