๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฆ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฒ๐—ท๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฉ๐—ฎ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ผ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑโ€“๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฏ๐Ÿฌ ๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—บ-๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐˜๐—ผ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ผ (๐—œ๐—ฆ๐—–) ๐—ฒ๐˜๐—ผ ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ

๐Ÿ“ŒNotontosaina androany 17 jona 2025, teto aminโ€™ny Fitsarana Tampony Anosy ny fanombohana ny Drafitra Stratejika Vaovaonโ€™ny taona 2025โ€“2030 izay an’ny Andrim-panjakana Ambony Misahana ny Fankatoavana sy ny Fanaraha-maso (ISC) eto Madagasikara. Ity Andrim-panjakana Ambony Misahana ny Fanaraha-maso ny Fitantanam-bolam-panjakana ity moa dia rafetinโ€™ny Fitsarana momba ny Kaonty sy Fitsarana ara-bola, ny tanjony amin’izany dia ny hanome ny anjara biriky amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, hanamafy ny toeranโ€™ny andrim-panjakana eo aminโ€™ny sehatra ofisialy ary ny hanatsara ny fitantanana anatiny.

โญTonga nanokatra izany fotoana izany taminโ€™ny fomba ofisialy, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

๐ŸŽคTao anatin’ny lahatenin’Andriamatoa Minisitra dia nanambara ny tenany fa tsy zava-baovao ho anโ€™ny Fitsarana momba ny Kaonty ny ezaka aminโ€™ny fanatsarana satria nandritra ny fe-potoana 2020โ€“2024, dia efa nisy dingana lehibe vita, toy ny fanamafisana ny toeranโ€™ny Fitsarana eo aminโ€™ny rafitra fanapariahana sy fanaraha-maso ny tetibola, izay nahatonga azy ho โ€œmissionโ€ aminโ€™ny sehatra nasionaly, ny fanatsarana ny kalitaonโ€™ny tatitra arakin’ny fenitra iraisam-pirenena ary ny fanamafisana ny fahatokisanโ€™ny vahoaka sy ny mpiara-miombonโ€™antoka aminโ€™ny alalanโ€™ny fanehoana ampahibemaso ireo vokatra.

โžก๏ธNoho izany ho anโ€™ny taona 2025โ€“2030, dia mazava tsara ny vina: ho andrim-panjakana mahaleo-tena, azo itokisana, ary mitondra fanatsarana ho anโ€™ny fiainanโ€™ny olom-pirenena. Tafiditra ao anatinโ€™izany, ny fanamafisana ny fahaiza-manao aminโ€™ny alalanโ€™ny fanofanana sy ny fampitaovana ara-teknolojia, ny fanatsarana ny fifandraisana aminโ€™ny vahoaka sy ny mpiara-miombonโ€™antoka, ny fanohanana ny mpitantana eo anivonโ€™ny kaominina.

โญ•Aminโ€™ny maha Minisitry ny Fitsarana azy moa dia nanentana ny mpiara-miombonโ€™antoka tsy ankanavaka izy mba hanohana ny ezaka izay hataonโ€™ny Fitsarana momba ny Kaonty aminโ€™ny fanatanterahana ny Drafitra Stratejikany.

๐Ÿ™Farany dia nanolotra ny fiarahabana manokana ny Fitsarana momba ny Kaonty aminโ€™ny nahavitร ny ity Drafitra Stratejika vaovao ity ny tenany ary nirary fahombiazana aminโ€™ny andraikitra izay nomenโ€™ny Lalร na azy.