
Androany 14 aprily 2025, teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana teto Faravohitra no nanatanterahana ny fananganan-tsaina, izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis sy ny mpiara miasa aminy; niaraka tamin’ireo lehiben’ny Fitsarana isan’ambaratongany ary ireo mpiasa maro eto an-toerana.
Firariantsoa no natolony ho an’ny mpiara-miasa tamin’ny lahateniny indrindra amin’izao ankatoky ny « herinandro masina » izao ka nanolorany fiadanana ho fampaherezana ny rehetra.
Nohamafisin’ny Minisitra ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiatrehana ny fandraisana ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina na ny « COI »; sy ny fitsidihana Ofisialy ataon’ny Filoham-pirenena Frantsay.
Nisaotra manokana izy noho ny fandraisana anjaran’ny mpiaramiasa, tamin’ny hetsika Tagnamaro notontosaina ny Alakamisy lasa teo.
Nandritrin’ny lahateniny no nanolorany fisaorana manokana tamin’ny fanendrena nataon’ny Filohan’ny Repoblika hajaina, Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian.
Niarahaba manokana an’ireo Tonia Mpampanoa lalàna vaovao ihany koa ny tenany, dia Andriamatoa ANDRIAMAHAVORY Christian Paul, Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, sy Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban, Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo.
Nentiny tamim-pitiavana ny firarian-tsoa sy ny fankasitrahana ho azy ireo, ary nisaotra manokana ihany koa ireo nitantana teo aloha noho ny ezaka sy fanoloran-tena nataon’izy ireo ho an’ny firenena.