𝐙𝐀𝐈𝐊𝐀𝐁𝐄 𝐀𝐅𝐀𝐏 𝟐𝟎𝟐𝟓:

𝐍𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐕𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀.

✨ Notanterahana ao Toamasina, androany 07 Aogositra 2025, ny zaikabe Nasionalin’ny AFAP (Association des Femmes de l’Administration Pénitentiaire) izay fikambanan’ny vehivavy Mpandraharahan’ny fonja sy ny vadina Mpandraharahan’ny fonja. « Vehivavy Miara-Mijoro, Miara-Manova, Miara-Mandroso », izany no lohahevitra nentina tamin’ity zaikabe eto Toamasina ity, izay manentana sy manamafy ny firaisankinan’ny vehivavy manoloana ny fanamby sy ny fanovàna entina eo anivon’ny fiarahamonina.

⭐ Miisa 776 ireo vehivavin’ny AFAP manerana an’i Madagasikara, ka manodidina ny 625 tamin’ireo no tonga tao an-toerana. Hita tao avokoa ireo solontena isam-paritra, izay naneho firaisankina sy herim-po tamin’ny alalan’ny diabe sy hetsika samihafa niraisan’ireo andriambavilanitra ao amin’ny AFAP.

🎉 Nanome voninahitra sy nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, izay naneho ny fankasitrahana sy fanohanana tanteraka ny anjara sy ny andraikitry ny vehivavy eo anivon’ny Fandrahaharan’ny fonja, fa ny fiaraha-mientan’izy ireo dia hery lehibe amin’ny fanovana entina ho amin’ny fandrosoan’ny firenena.

⏳ Tany Mahajanga no tontosa ny Zaikabe farany, ary isaky ny roa taona no tanterahana ity hetsika ity araka ny fomban’ny AFAP ka ity taona 2025 ity dia anjaran’i Toamasina indray no mandray izany mandritra ny telo andro.