Fitsenana ny Filohan’ny Vondron’i Kaomôro.

Tafapetraka soamantsara eto amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato ihany koa ny fiaramanidina nitondra an’Andriamatoa AZALI Assoumani, Filohan’ny Vondron’i Kaomôro, sy ny vadiny, Ramatoa AZALI Ambari rehefa avy nisidina ny habakabak’i Madagasikara. Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian hatrany no nitsena azy ireo teto an-toerana, ao anatin’ny fanajana ny arofenitry ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny Firenena roa tonta. Mamaritra marika mazava amin’ny fitoviam-pijery hanatanteraka ireo vina, sy hanatratra miaraka ny tanjona ao anatin’ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fampivoarana sy ny fampandrosoana izao fahatongavan’ny vahiny manankaja fahatelo hiatrika ny Fihaonana an-tampon’ny COI andiany faha-5 izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *