LANONAM-PITSARANA NAMETRAHANA IREO TONIA MPAMPANOA AMBONY

📌Notanterahina androany alatsinainy 14 aprily 2025 tao amin’ny Fitsarana Tampony sy Fitsarana Ambony Anosy ny lanonam-pitsarana nametrahana ireo Tonia Mpampanoa Ambony vaovao, dia Andriamatoa ANDRIAMAHAVORY Christian Paul, eo anivon’ny Fitsarana Tampony, sy Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban Andriamahazonoro, eo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo.

⭐Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

➡️Nambaran’ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony fa hifantoka amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fanafainganana ny fitsarana, fanatsarana ny kalitaon’ny asa ary ny fanadiovana ny toeram-piasana. Nisongadina koa ny antson’ny Tonia amin’ny fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miasa rehetra hanatsarana ny endrikin’ny Fitsarana sy ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka.

➡️Etsy an-kilany, nilaza Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban fa vonona hitondra ainga vao sy hanome lanja ny ady amin’ny kolikoly ary hiaro ny zon’ny vahoaka amin’ny alalan’ny politika famaizana hentitra, indrindra amin’ireo heloka bevava toy ny herisetra, fanolanana, ary fakana an-keriny.