π…π’π¬π¨π€πšπŸπšπ§β€™π§π² 𝐅𝐒π₯𝐚𝐧𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐀𝐃𝐂 𝐞𝐭𝐨 π€π§π­πšπ§πšπ§πšπ«π’π―π¨ 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-π©π’π­πšπ§π­πšΜ€π§πšπ§πš

πŸ—“ Antananarivo, 12 Aogositra 2025 – Nisokatra androany teto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC, izay enti-manomana ny fihaonana an-tampony faha-45n’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny Governemanta.

Nandray ny fitantanana izany Filan-kevitry ny Minisitra izany androany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy πŸ‡²πŸ‡¬, nandimby ny Profesora Amon Murwira, Minisitra misahana ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra Iraisam-pirenena avy any Zimbabwe. Haharitra herintaona (Aogositra 2025 – Aogositra 2026) ny fe-potoana iasany.

Izao fandraisantsika ny fitantanana ny Filan-kevitry ny Minisitry ny SADC izao dia maneho ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aty amin’ny Faritra atsimon’i Afrika sy ny fampandrosoana maharitra ny vahoaka ao anatin’ny Vondrona SADC.