
π³ππππ’π π΄ππππππππππ
[ππππ-4 πππππππππ 2025]
Nisolo tena ny Filohanβny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fotoam-pitsarana nametrahana taminβny fomba manetriketrika ny Kaomisiaona Malagasy miandraikitra ny Informatika sy ny Fahalalahana na CMIL (Commission Malagasy de lβInformatique et des LibertΓ©s), notanterahina androany atoandro, teto aminβny Fitsarana Tampony Anosy, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian. Nanome voninahitra izany fotoana izany koa ireo Filohan’ny Andrimpanjakana, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana izay sady Filoha Lefitry ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara, Rakotomandimby Benjamin, ireo Minisitra hafa mpikambana ao anatin’ny Governemanta, sy ireo solontenan’ny Masoivoho avy any ivelany miasa sy monina eto amintsika, ary ireo tomponandraikitra ambony isan-tokony.
Ity rafitra mahaleo tena mifanaraka amin’ny fenitra nasiΓ΄naly sy iraisampirenena, izay ahitana mpikambana miisa sivy ity, no miandraikitra ny fiarovana ireo angon-drakitra mahakasika ny olona tsirairay eto Madagasikara. Dingana lehibe irosoan’ny Firenena Malagasy ara-pitantanana eo amin’ny lafiny nomerika ny fisian’ny CMIL, mba hanomezana antoka ny fahatomombananβny fitsipika sy ny fanajana ny zonβolombelona.