
Natomboka androany 02 Jona 2025 teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo ny 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗼𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟲𝟱 𝗧𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝘃𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗻𝗶𝗳𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗼𝗹𝗼𝗮𝗹𝗶𝗻𝗱𝗮𝗵𝘆.
Ny tara-kevitra nosafidiana amin’ity fankalazana ity ny hoe: « 𝙉𝙮 𝙁𝙞𝙩𝙞𝙖𝙫𝙖𝙣-𝙩𝙖𝙣𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙖𝙧𝙞𝙠𝙖 𝙁𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣𝙖 », hoy ny Filoha Hajaina RAJOELINA Andry nandritra ny lahateniny. Nambarany fa mitaky fandavan-tena sy fitiavan-tanindrazana ny asa fampandrosoana, ary tsy maintsy miara-misalahy ny rehetra raha hibanjina izany fandrosoana izany.
Manentana ny olom-pirenena tsirairay avy manerana ny Faritra rehetra hanangana ny sainam-pirenena Malagasy ihany koa ny Filoha, ho fiomanana sy fanamarihana ny Asaramanitra, sady ho rehareha fa mahaleotena i Madagasikara.
Nanatrika izany lanonam-panokafana izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis. Nandritra ny hetsika dia nisy ny fampisehoana ara-kolotoraly, ka nandray anjara mavitrika amin’izany ny Ministeran’ny Fitsarana, izay nampiseho ny kolontsaina isam-paritra. Amin’ny maha Coach an’Atsimo Atsinanana an’Andriamatoa Minisitra dia ireo soatoavina sy kolontsaina nentim-paharazana avy any an-toerana no naranty.