๐…๐€๐Œ๐„๐“๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐๐„๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐๐€๐‘๐€๐“๐Ž๐๐†๐€ ๐•๐Ž๐€๐‹๐Ž๐‡๐€๐๐˜ ๐„๐“๐Ž ๐๐„๐‹๐Ž ๐€๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐โ€™๐ˆ ๐“๐’๐ˆ๐‘๐ˆ๐๐ˆ๐‡๐ˆ๐๐€.

โœจ Anio 05 septambra 2025 no notokanana ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Belo amoron’i Tsiribihina. Tsy niandry ela fa anio ihany dia natao ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana taminโ€™ny toerany ireo Lehibenโ€™ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Belo Amoronโ€™i Tsiribihina, dia Andriamatoa ANDRIAMPARANY Rinah, Filohanโ€™ny Fitsarana, ary Andriamatoa MANAHY Christian Hervรฉ, Tonia Mpampanoa Lalร na.

๐Ÿ’ Nanome voninahitra ny lanonana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, notronin’ireo tomponโ€™andraikitra isan-tsokajiny sivily sy miaramila sy ireo vahiny teny an-toerana.

โš™๏ธ Naneho fanoloran-tena ireo Lehibenโ€™ny Fitsarana fa haneho ny Fitsarana manakaiky vahoaka, ny politika hiadiana aminโ€™ny kolikoly fa eo ihany koa ny hampanjakana ny fiarovana ny marefo. Misongadina amin’izany ny fanatanterahana Fitsarana mitety vohitra maro.

๐Ÿ”น Ho an’ny Filohan’ny Fitsarana manokana dia fanambiny ny fanaovana ยซย teny Malagasyย ยป ireo didy rehetra mahakasika ny ady madio, indrindra ny ady tany.

๐Ÿ”น Ny Tonia Mpampanoa Lalร na kosa dia naneho ny fiara-miasa akaiky amin’ny fiaraha-monina sivily sy miaramila, hamongorana ny halatr’omby sy ny asan-dahalo izay manimba ny toe-karena.