
Anio 20 jona 2025, dia nanantanteraka hetsika ara-kolontsaina ny teny aminβny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, izay ao anatinβny fanamarihana ny fiverenanβny fahaleovantenanβi Madagasikara, izay notarihanβny Filoha sy ny Tonia Mpampanoa LalΓ na eto anivonβny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.
Ny tara-kevitra nosafidiana taminβity taona ity ho anβny fankalazana manokana ny fiverenanβny fahaleovantena moa dia ny hoe βNy Fitiavan-tanindrazana, mitarika fandrosoanaβ, ka tao anatinβity hetsika ity no nandraisana ny tarigetra manao hoe : βNy Firaisan-kina ao anatinβny Fahasamihafanaβ, izany dia mba ho fanehoana fa na dia samy hafa fihaviana sy kolontsaina aza ny mpiara-miasa rehetra eto anivonβny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sy ireo manan-draharaha rehetra dia miorina hatrany aminβny fitoniana sy ny fandrosoana iombonana aminβny maha Malagasy azy ireo.
Nandritrinβny fandraisam-pitenenana izay nataonβny Filohanβny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Ramatoa RASOLOLALAO Hortense AngΓ¨le, izay nisolo-tena ireo mpiara-miasa rehetra eo anivonβny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, dia nanambara ny tenany fa ny tanjona anβizao hetsika izao dia ny fampahatsiahivana ny lanjanβny Firaisan-kina sy ny Fitiavan-tanindrazana, izay iorenanβny asa sy andraikitrinβny Fitsarana aminβny fanompoam-bahoaka.
Nampatsiahivin-dRamatoa Filoha fa isaky mamoaka didy ny Fitsarana, na ady heloka, na ady madio, na ady ara-barotra, na arakβasa dia manao izany aminβny anaranβny vahoaka Malagasy, hanaporofoana ihany koa fa mifototra aminβny soatoavina iombonana ny asa rehetra atao.
Izao hetsika izao moa dia tohinβny fandraisana anjara taminβny hetsika ara-kolontsaina izay notanterahana teny aminβny Β« Parvis Analakely Β» taminβny faha 02 ny volana Jona lasa teo.