Posted in Actualités

FONJABEN’I MORONDAVA.

📌Zoma 12 aprily 2025l4, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia tsy nohadinoiny ny nitsidika ny Fonjaben’i Morondava.

⭕Nivoitra tamin’io ny fanatanterahana ny Andry voalohany napetraky ny Filohan’ny Repoblika, mikasika ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana, dia ny fanomezan-danja ny maha olona. Voakasika manokana amin’izany ny Minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fandraharahana ny fonja, dia ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fanarenana azy ireo hiverenany indray eny anivon’ny fiarahamonina niaviany avy aorian’ny fanatanterahany ny saziny. Izany dia amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana. Nambaran’ny Minisitra tamin’izany, fa tsy maintsy hajaina ny zon’olombelona eo anivon’ny fonja, ka rehefa miverina eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo dia hanana ho avy mamiratra indray amin’ny alalan’ny asa fivelomany avy, vokatr’ireo fiofanana narahina.

➡️Amin’izao fotoana dia fantatra, fa misy ireo vehivavy voafonja manana talenta amin’ny fandrariana sy fanaovana taovolo sy sakafo, ary efa misy ny vokatra efa vitan’izy ireo tamin’ny Rary. Hatreto anefa, hita fa tsy ampy izay fanofanana azy ireo izay ka mila hamafisina, raha ny nomarihan’ny Minisitra. Horaisina ny fepetra ka hojerena haingana ny mpampiofana, izay hiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Hovatsiana fitaovana ihany koa ny fonja ao Morondava manampy izany. Eo ny lafiny fanamboarana mofomamy, taovolo, fandrafetana ho an’ny lehilahy, sy ny sisa. Zava-dehibe ny fanomezana fampiofanana ny voafonja io mba tsy ho toeram-pamaizana fotsiny intsony.
Haharitra 100 andro ary hotolorana mari-pahaizana ireo voafonja nahavita fiofanana.
Nankasitraka ny Minisitra ny voafonja tamin’ny alalan’ny solontenan’izy ireo nandray fitenenana.

⭕Ankoatra izay dia nanome toromarika ho fampanajan’ireo Mpandraharahan’ny Fonja ao an-toerana ny Minisitra. Anisan’izany ny tokony hifantohana fiaraha-miasa amin’ny vondrona tsy miankina amin’ny fanajana ny zon’olombelona eny anivon’ny fonja.

⭐Nanotrona ny fotoana tamin’ity fitsidihana ity ny Loholon’i Madagasikara avy ao amin’ny Faritanin’i Toliara sy ireo tompon’andraiki-panjakana samihafa, ary ireo Mpandraharahan’ny Fonja ao an-toerana.

Posted in Actualités

Fanamparihana lalàna sy fampianarana an’ireo Mpianatra momban’ny zava-mahadomelina.

📌Zoma 12 aprily 2024, Nampahafantarina ireo mpianatra ao amin’ny Lycée privé Catholique Immaculée Conception sy tao amin’ny Lycée pôle ao Morondava ny lalàna mikasika ny fifohana zava-mahadomelina. Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA no nitarika izany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

➡️Nanazava ny Tale miandraikitra ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisampirenena (DDHRI) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina fa hentitra ny fitsarana manoloana ny fandraisana zava-mahadomelina ary manimba ny hoavin’ny ankizy izany.

⭕ Andraikitry ny Minisitera ny mampahafantatra ny lalàna hoy ny Minisitry ny Fitsarana, fa tsy manasazy fotsiny ihany. Heloka eo anatrehan’ny tany sy ny firenena ny fandraisana zava-mahadomelina. Ny lalàna mifehy ny fidorohana zava-mahadomelina eto Madagasikara dia efa tamin’ny taona 1997. Voarara ao anatin’izany avokoa ny mifoka, ny mividy, ny mamboly, sy izay mikirakira izany. Sazy an-terovozona hatramin’ny 10 taona an-trano maizina no mihatra amin’ireo manao izany.

➡️Nentanina koa ireo mpianatra mba hampahafantatra ny lalàna mifehy ny mpikirakira zava-mahadomelina ho an’ny fiaraha-monina fa tsy ho azy ireo irery ihany.
Ny fandraisan’ny olona sokajiny rehetra zava-mahadomelina dia mikitika ny atidoha.Manimba ny vatana sy ny taova rehetra.Antony hahasahian’ireo mandray azy manao zavatra tsy ampiheverana ka tsapa fa mandray zava-mahadomelina avokoa ny ankamaroan’ireo mpanolana.

❌Rehefa miankin-doha tanteraka ny olona iray dia tsy maintsy mandalo fitsaboana fotoana lava any amin’ny toerana votokana amin’ny sarany lafo dia lafo. Tsy ahitana io toerana io anefa eto Morondava fa ny hopitaly voatokana no mitsabo izany.

Posted in Actualités

FITSIDIHANA NY RENIVOHITRY NY FARITRA MENABE.

📌Zoma faha -12 Avrily 2024.Teto Morondava, nihaona tamin’ny Mpiasa eo anivon’ny Fitsarana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo Mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisitera.

🔎Nojerena ny zavabita tao anatin’ny 100 andro voalohany sy ny fidirana amin’ny 100 andro faharoa. Natao izany mba hanatsarana ny fitantanana, ary hampihenana ny faharisihan’ny olona hanao heloka.

➡️Nomeny toromarika ireo mpiasan’ny fitsarana rehetra eto an-toerana ho fanatanterahana ny iraky ny fitondram-panjakana mba hanamafisana ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Nojerena ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera sy ireo olom-boatendry eny ifotony ho fampandriana fahalemana ary indrindra ho fampandrosona ny faritra.

⭕Ankoatra izay dia natolotra ny Fitsarana ao Morondava ny karatra fanarahan-draharaha « carnet de suivi » ary nahazo solosaina miisa 3 sy « imprimante » avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ihany koa izy ireo.

Posted in Actualités

Zato andron’ny Ministeran’ny Fitsarana.

♦️Horonan-tsary fanehoana ireo asa vitan’ny Ministeran’ny Fitsarana
tao anatin’ny 100 andro.

Posted in Actualités

FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY FONDATION AKBARALY.

📌 Alakamisy 11 Aprily 2024, teto amin’ny « Tour Redland » Ankorondrano, notanterahana ny fanaovan-tsonia fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny « Fondation Akbaraly ». Izany dia miompana amin’ny fahasalamana sy ny fanomanana ny Vehivavy Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina, rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy.
Fiaraha-miasa ihany koa, mahakasika ny Politikam-panjakana amin’ny fanomezan-danja ny mahaolona sy ny fiarovana ny zon’olombelona, amin’ny alalan’ny fiahiana ny fahasalamana sy fanarenana ara-tsosialy ireo Vehivavy Voafonja.

📃 Voarakitra ao anatin’ny fiaraha-miasa fa dia ho raisina ho isan’ny Mpiasa eo anivon’ny ivotoerana tantanan’ny « Fondation Akbaraly » ny Vehivavy Voafonja miisa 50 nahavita fiofanana arak’asa tao Antanimora. Izany dia ho tohin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay satria ny « Fondation Akbaraly » ihany no efa nanohana ny fiofanana nomena azy ireo sady manampy ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny Fitsirihana ny fahasalaman’ny Vehivavy Voafonja.

🔹 Hahazo tambin-karama ireo Vehivavy Voafonja hiasa ireo, ary izany dia entiny manomana ny ho aviny.

🎯 Nanamafy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, fa io fifanarahana io dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana napetraky ny Minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny fanomanana ny famerenana ny Voafonja eny anivon’ny Fiarahamonina rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy, ary sambany teo amin’ny fitantanana ny Fonja no nisy Voafonja nahazo fiofanana ka nahazo asa avy hatrany.

🔹 Antanimora no hanombohana ity fiaraha-miasa ity, fa ezaka ny hanitatra izany amin’ny Vehivavy Voafonja amin’ny Faritra hafa.
Fantatra moa fa miditra miasa maraina ireo Vehivavy Voafonja ireo ary miverina ao am-ponja rehefa avy miasa.

🎯 Nilaza ny Dr FRANCESCO Cimino, Tale Mpanatanteraky ny « Fondation Akbaraly » fa zava-dehibe ho amin’izy ireo ny fiarovana ny zon’olombelona. Antony nahatonga azy ireo hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mahakasika ny fanatsarana ny fiainan’ny Voafonja, indrindra ny Vehivavy sy ny ankizy. Tanjona mantsy ny tsy ahatonga azy ireo ho vesatra ho an’ny Fiarahamonina na koa hamerin-keloka indray, ary ny tena kendrena dia ny famerenan-kasina ny maha-olona.

🔹 Nanatrika ity lanonana fanaovan-tsonia ity ny tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny Fitsarana, notarihan’ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Mpiara-miasa eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja, notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ary ny Mpiara-miasa eo anivon’ny « Fondation Akbaraly ».

🎥 Indro ny tafa nifanaovana tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana
RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teny an-toerana.