PUBLICATIONS RECENTES
Tsiafahy : Fambolen-kazo Ministeran’ny Fitsarana




































































Pejy an-tsary androany 01 Martsa 2021:
Fambolen-kazo Ministeran’ny Fitsarana.
Mpiasa 1.300 mahery no tonga teny amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy.
Fandraharahana ny Fonja : Famaranana ny 4 andro nanaovana ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny


























































Pejy an-tsary androany Zoma 26 Febroary 2021 eto amin’ny ENAP Antetezambaro-Toamasina:
Famaranana ny 4 andro nanaovana ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny, ho an’ireo IAP sy ireo mpikirakira vola eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja avy amin’ny Faritra Aalamanga, Itasy, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.
Fifaninanana hidirana ao amin’ny ENAP: Lisitra ho an’ireo mpiadina voatazona sy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana
Ny andro sisa no isaina, dia ho tanterahina ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) ao Antetezambaro – Toamasina. Mpiadina 500 no ho raisina aorian’ny fifaninanana ho tontosaina ny 13, 14, 15 Martsa 2021 manerana ireo ivon-toerana miisa 14 hanaovana ny fanadinana manerana ny Nosy.
Efa azo jerena ny peta-drindrina eny amin’ny Biraon’ny DRAP sy fonja manerana ny Nosy misy ny lisitra ho an’ireo mpiadina voatazona sy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana. Manomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fizaràna ny taratasy fampiantsoana amin’ny fifaninanana. Atolotra ho antsika izao eto ireto ireo lisitra.
Lisitr’ireo afaka manao ny fifaninana: | Lisitr’ireo tsy afaka manao ny fifaninana: |
** (Tsindrio isaky ny centre hahafahanao manokatra ny rohy)
Toy izao ny fanampim-panazavana entin’ny Talen’ny ENAP, ny IAP en Chef RAZAFINTSALAMA Désiré.
Fandraharahana ny Fonja: Andro fahatelo amin’ny fiofanana amin’ny fitantanam-bola


















Pejy an-tsary androany Alakamisy 25 Febroary 2021 eto amin’ny ENAP Antetezambaro-Toamasina:
Andro fahatelo amin’ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny, ho an’ireo IAP sy ireo mpikirakira vola eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja avy amin’ny Faritra Aalamanga, Itasy, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.