Posted in Actualités

Zato andron’ny Ministeran’ny Fitsarana.

♦️Horonan-tsary fanehoana ireo asa vitan’ny Ministeran’ny Fitsarana
tao anatin’ny 100 andro.

Posted in Actualités

FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY FONDATION AKBARALY.

📌 Alakamisy 11 Aprily 2024, teto amin’ny « Tour Redland » Ankorondrano, notanterahana ny fanaovan-tsonia fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny « Fondation Akbaraly ». Izany dia miompana amin’ny fahasalamana sy ny fanomanana ny Vehivavy Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina, rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy.
Fiaraha-miasa ihany koa, mahakasika ny Politikam-panjakana amin’ny fanomezan-danja ny mahaolona sy ny fiarovana ny zon’olombelona, amin’ny alalan’ny fiahiana ny fahasalamana sy fanarenana ara-tsosialy ireo Vehivavy Voafonja.

📃 Voarakitra ao anatin’ny fiaraha-miasa fa dia ho raisina ho isan’ny Mpiasa eo anivon’ny ivotoerana tantanan’ny « Fondation Akbaraly » ny Vehivavy Voafonja miisa 50 nahavita fiofanana arak’asa tao Antanimora. Izany dia ho tohin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay satria ny « Fondation Akbaraly » ihany no efa nanohana ny fiofanana nomena azy ireo sady manampy ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny Fitsirihana ny fahasalaman’ny Vehivavy Voafonja.

🔹 Hahazo tambin-karama ireo Vehivavy Voafonja hiasa ireo, ary izany dia entiny manomana ny ho aviny.

🎯 Nanamafy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, fa io fifanarahana io dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana napetraky ny Minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny fanomanana ny famerenana ny Voafonja eny anivon’ny Fiarahamonina rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy, ary sambany teo amin’ny fitantanana ny Fonja no nisy Voafonja nahazo fiofanana ka nahazo asa avy hatrany.

🔹 Antanimora no hanombohana ity fiaraha-miasa ity, fa ezaka ny hanitatra izany amin’ny Vehivavy Voafonja amin’ny Faritra hafa.
Fantatra moa fa miditra miasa maraina ireo Vehivavy Voafonja ireo ary miverina ao am-ponja rehefa avy miasa.

🎯 Nilaza ny Dr FRANCESCO Cimino, Tale Mpanatanteraky ny « Fondation Akbaraly » fa zava-dehibe ho amin’izy ireo ny fiarovana ny zon’olombelona. Antony nahatonga azy ireo hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mahakasika ny fanatsarana ny fiainan’ny Voafonja, indrindra ny Vehivavy sy ny ankizy. Tanjona mantsy ny tsy ahatonga azy ireo ho vesatra ho an’ny Fiarahamonina na koa hamerin-keloka indray, ary ny tena kendrena dia ny famerenan-kasina ny maha-olona.

🔹 Nanatrika ity lanonana fanaovan-tsonia ity ny tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny Fitsarana, notarihan’ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Mpiara-miasa eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja, notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ary ny Mpiara-miasa eo anivon’ny « Fondation Akbaraly ».

🎥 Indro ny tafa nifanaovana tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana
RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teny an-toerana.

Posted in Actualités

Fianianan’ireo Mpianatra ho Mpitsara.

📌 Talata, 09 Aprily 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.
Tontosa ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ireo Mpianatra ho Mpitsara izay nahavita fiofanana roa taona teo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG),

🌿miisa 81 izy ireo no tafiditra eo anivon’ny Fianakaviam-ben’ny Mpitsara.

🛠️ Raha ny fampahafantarana ny mombamomba ireto Mpitsara vaovao ireto dia hita fa efa samy nanana ny mari-pahaizana sy traik’efa amina sehatra maro samihafa mialohan’ny nidirana nianatra tao amin’ny sekoly ENMG.

🎓 Handray ny asany avy hatrany izy ireo aorian’izao fianianana izao, ary araka ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanotrona ny fianianana dia hiparitaka manerana an’i Madagasikara izy ireo ary hojerena manokana ireo toeram-pitsarana tena tsy ampy Mpitsara. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny Fitsarana manakaiky Vahoaka.

▶️ Marihana fa ity andiany « ILO » izay nahavita fianianana ity dia ahitana mpitsara mahakasika ny ady hifanaovan’ny olon-tsotra (Filière judiciaire) miisa 41, 20 mpitsara amin’ny ady atao amin’ny Fanjakana (Filière Administrative) ary 20 mpitsara ara-bola (Filière Financière) .
Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tokony eny anivon’ny Andrim-panjakana samihafa, izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimeran-doholona sy ireo tompom-panjakana isan-tsokajiny ary ireo mpiara miasa ara-bola sy ara- tekinika amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny ENMG. Nitarika izany kosa ny Filoha Voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony.

Posted in Actualités

Sekolim-pirenena manofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha.

📌Alatsinainy 08 aprily 2024.
CCI Ivato, Mpianatra ho Mpitsara miisa 81 no nahavita ny fianarany. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy izy ireo ary notolorana mari-pahaizana. ILO no anarana nisaloran’ity andiany ity izay misy Mpitsara ny ady hifanaovan’ny samy olon-tsotra miisa 41, Mpitsara amin’ny ady atao amin’ny fanjakana 20, Mpitsara momba ara-bola 20.

➡️Nandritra ny fandraisam-pitenenana, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa hapetraka ho maodely eo amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny Mpitsara, ao anatin’izany izao andiany vao navoaka izao, izay efa tafiditra ao anatin’ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

➡️ Tanjona mantsy ny fanomezana tolotra tsara ho an’ny Vahoaka manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.

⭐Nanotrona ity lanonana ity ireo tompon’andraikitra isan-tokony eny anivon’ny Andrimpanjakana samihafa, izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimiera-doholona sy ny ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ary ireo Mpiara-miasa ara-bola sy ara – tekinika amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny ENMG.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌Alatsinainy faha-08 Aprily 2024,
Fonjan’ Antanimora, niatrika ny fananganan-tsaina ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Tao anatin’ny hafatra nampitaina ho an’ny Mpiara-miasa, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nisaotra ny Mpiara-miasa rehetra nohon’ny asa vita tao anatin’ny 100 andro Voalohany. Tafiditra tao anatin’ izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa natolotra ho an’ny manan-draharaha eny anivon’ny Fitsarana. Efa miditra ao anatin’ny asa 100 andro faharoa rahateo ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

➡️Amin’izao fotoana izao dia miditra amin’ny fotoam-pijinjana ny vokatry ny any amin’ny Toby famokaran’ny Voafonja. Nanentana ny fifanomezan-tanana amin’izany ny Minisitry ny Fitsarana. Ankoatr’izay dia namafisiny ny fanatevenana ny fandriampahalemana sy filaminana eny anivon’ny Fonja amin’izao fiomanana amin’ny fifidianana Solombavambahoaka izao.

⭐Nanatrika ny fananganan-tsaina teto havokoa ny avy eo anivon’ny Minisitera sy ny Fitsarana, izay notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony.