ENMG.

Eo anatrehan’ny fanomanana ny adina am-bava (Oral) amin’ny fifaninanana hidirana mpianatra ho Mpitsara eto amin’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG), dia nanome toromarika sy niresaka mahakasika teboka vitsivitsy ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Andriamatoa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony :

⭕ Aoka tsy ho azon’ny fakam-panahy hijoboka hanao kolikoly, fa madio sy mangarahara
ny fifaninanana.

⭕ Tsy vitan’ny sekoly sy ny Tale Jeneraly irery anefa ny ady amin’ny kolikoly
fa mila ny fandraisan’andraikitra sy fifanampiana avy amintsika tsirairay ;
satria izay tsy manao kolikoly dia efa miady amin’ny kolikoly. Ary aoka tsy hohadinoina fa henjehin’ny lalàna velona na ny mpanome na ny mpandray izany ;

⭕ Manome toky ny sekoly, ary miezaka amin’ny fomba rehetra mba hadio sy hangarahara
ny fifaninanana rehetra ;

⭕ Mba hisian’ny fifampitokisana, dia teratany vahiny na « Cabinet international » no manara-maso sy mikirakira ny solosaina mahakasika ny naoty rehetra, ary hatrehin’ny tompon’andraikitra mahefa isan-tsokajiny izany ;

⭕ Ary notsindriany manokana fa ny tsy fahafahan’ny mpiadina iray mahay tsy midika fa nisy ny kolikoly, fa amin’ny maha fifaninanana azy dia izay tena ambony ny naoty no afaka ; indrindra efa taona maromaro ihany no tsy nisy ny fifaninanana ka zava-dehibe ny fanomanana.

🎥 Entina aminao manontolo ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ho Mpitsara sy Mpirakidraharaha,
Andriamatoa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY Anthony.