ENAP – Mpandraharahan’ny Fonja andiany « MIJORO ».

📌Tontosa anio 21 Oktobra 2022 ireo lanonana teto anivon’ny « Sekolim-pirenena mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja » na ENAP Antetezambaro.

➡Nanombohana izany ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny sekoly, A/toa RAZAFINTSALAMA Désiré.
Vonona mandrakariva ny tenany hitondra avo ny voninahitry ny sekoly ary indrindra hampivaotra hatrany ny fampiofanana eo anivon’ny sekoly.
Manarak’izay dia navoaka tamin’ny fomba ara-miaramila ireo mpianatra ho Mpandraharahan’ny Fonja (Agent Pénitentiaire) ka nonomezana ny galona azy ireo.
Naharitra 12 volana fiofanana ary efa vonona hiditra amin’ny sehatry ny asa. Misalotra ny anarana « MIJORO » ity andiany ity izay midika: « Mérite, Intéligence,Justice,­ Oportunité, Résponsabilité et Obéissance « . Miisa 500 izy ireo ka misokajy ho 412 ny lahy ary 88 kosa ny vavy.
Notokanan ihany koa ny takela-bato ho fahatsiarovana ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, Itompokolahy IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga izay namoy ny ainy teo amperin’asa vao tamin’ny volana jolay lasa teo .
Ary namaranana ny fotoana dia ny fitokanana ny toera-pitsaboana ao amin’ny sekoly izay misy efitra roa samihafa afaka mandray mitokana ny lahy sy ny vehivavy.

⭐Tao anatin’izany dia tonga nanontrona ny Lanonana ihany koa ny Minisitry ny angovo sy akoranafo, ary nanome Jiro ho fanazavana ny sekoly.
⭕Niarahaba manokana ny tale Jeneralin’ny Sekoly izay vao nandray ny toerany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana, A/­toa RAKOTOZAFY François ary koa nitso-drano sy nankahery ireo mpianatra izy nandritra ny fandraisam-pitenenany ary nitondra fanazavana tsotsotra mahakasika ny asa miandry azy ireo.
🎥 Indro atolotra manontolo izany.