Fanatsarana ny sehatry ny Fonja : Nivory ny mpitantana ny tetikasa Fanarenana

Tontosa teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra androany Alarobia 17 Novambra 2021, ny fivorian’ireo mpikambana amin’ny komity mpitantana (COPIL) amin’ny tetikasa Fanarenana.

Tsiahivina fa ny tetikasa Fanarenana, dia iarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny
Agence Française de Développement (AFD) izay mamatsy vola mitentina 5 tapitrisa Euros na 23 Lavitrisa Ariary mandritra ny 5 taona (2020-2025).

Tanjona ny fanampiana ny sehatry ny Fandraharahana ny Fonja. Ho
fanatsarana ny tontolon’ny Fonja sy fanomanana ny famerenana ireo voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina. Ministera miisa 5 no nantsoina hiara-misalahy.

Toy izao ny fanazavana entin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Rtoa RABY SAVATSARAH Gabrielle Ain’Harimanga