TPI Analanjirofo: Nandray ny toerany ny Filoha vaovao

Tontosa androany Alatsinainy 15 Novambra 2021, tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) ao Fenoarivo Atsinanana (Faritra Analanjirofo) ny fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Filoha vaovao. Nanome voninahitra ny delegasiona notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa IMBIKI Herilaza.

Fanafainganana ny asam-pitsarana, ady amin’ny kolikoly, fanatrarana ny taha 70/30. Mitondra ny fandaharan’asany, ny Filoha eo anivon’ny TPI, Rtoa MAMONJISOA Mathieu Andréa.
(Sary nomena)