Fiaraha-miasa ho an’ny Fampandrosoana maharitra 2021-2023 : Nandray anjara ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana

Tontosa androany Alakamisy 11 Novambra 2021 tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fanombohana ny Drafitrasa fiaraha-miasa ho an’ny Fampandrosoana maharitra 2021-2023, eo amin’ny Firenena Mikambana sy Madagasikara. Himasoan’ny 2 tonta miaraka ny fanatrarana ny Tanjon’ny Fampandrosoana maharitra (ODD).

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa IMBIKI Herilaza. Nanararaotra nametraka fanontaniana isan-karazany taminy ireo mpanao gazety.

Tahaka izao ny fanazavana nentin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa IMBIKI Herilaza.