Fiarovana ny fampiasam-bola : Noraisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny avy ao amin’ny GEM

Tafiditra anaty andraikitry ny Ministeran’ny Fitsarana ny fiarovana ny fampiasam-bola sy ny famatsiam-bola eto Madagasikara. Izay indrindra no nahatonga teto Faravohitra androany Talata 09 Novambra 2021, ireo solontenan’ny Vondron’ny Mpandraharaha eto Madagasikara (GEM). Nihaino ny hetahetan’izy ireo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fiaraha-miasa.

Voalohany amin’ireo ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana. Maika noho izany ny famerenana ny fahatokisan’ireo mpandraharaha Malagasy ny Fitsarana satria iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana ka mila arovana.

Toy izao ny fanazavana misesy entin’ny Filohan’ny GEM, Atoa RAJAONA Thierry, sy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.