Gadra 32 tsy hita tao Miandrivazo : Ny fanadihadiana no hamoaka ny marina tsy ho ela

Ny fonja tsy vaky, ary tsy nisy ny lositra na fitsoahana. Manoloana ny vaovao nivoaka an-gazety androany Alatsinainy 08 Novambra 2021, momba ny filazana fa « nisy gadra 32 tafatsoaka tao amin’ny fonjan’i Miandrivazo », dia nitondra fanazavana ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) Atoa ANDRIAMAROAHINA RANAIVO Tovonjanahary.
Tsy marina ny vaovao. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, dia ny 09 Aogositra 2021 no natao ny fifamindran’andraikitra teo amin’ny Lehiben’ny Fonja (CE) teo aloha sy ny CE vaovao. Nandritra izany no tsikaritra sy voamarina fa nisy voafonja miisa 32, tsy hita tao amin’ny Fonjan’i Miandrivazo.
Mitohy hatrizao ny fanadihadiana hahitana ny marina momba izany. Antenaina fa hivoaka tsy ho ela ny valiny. Ho mafy ny sazy miandry an’izay tompon’andraikitra voasaringotra anatin’ity raharaha ity.
Tahaka izao ny fanazavana feno nentin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) Atoa ANDRIAMAROAHINA RANAIVO Tovonjanahary.