Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Nitsidika teto Faravohitra ny Masoivoho Italiana

Mazava ny tanjona. Miroso ny ezaka eo amin’ny fanatsarana ny sehatry ny Fitsarana eto Madagasikara, araka ny Velirano nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena. Tonga nanatontosa fitsidihana ofisialy teto Faravohitra tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa IMBIKI Herilaza, ny « Consul Honoraire d’Italie », SEM Dr Michele FRANCHI androany Talata 12 Oktobra 2021.

Anisan’ny fanohanana ho avy ny fampiofanana Mpitsara.