FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Taorian’ny fampahafantarana mikasika ny fisaraham-panambadiana na « Divorce » dia indro lohahevitra vaovao indray no entina amintsika dia ireo tsara ho fantatra mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire ».

🔷 INONA NY ATAO HOE « SOLON-TSAKAFO »
• Vola aloan’ny ray na ny reny amin’ny iray amin’izy ireo entina iantsorohana ny famelomana ny zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana),
• Adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny ny mikarakara sy mandray an-tànana ny fiainana sy ny fianaran’ny zanany,
• Ferana arakaraky ny fidiram-bolan’ny andaniny sy ny ankilany ary ny filàn’ireo zanany.

🔷 RAHOVIANA NO AFAKA ANGATAHINA IZANY ?
 Amin’ny fotoana hampidirana ny fangatahana ny fisaraham-panambadiana eny anivon’ny Fitsarana,
 Ho an’ireo ray aman-dreny tsy vita soratra ara-panjakana kosa fa nanjanaka ilay zaza iombonana fotsiny ihany ny rainy dia afaka mangataka izany eny anivon’ny Fitsarana ny iray amin’izy ireo izay mihazona ny zaza iombonana.
🔷 IZA NO FITSARANA MAHEFA RAHA HANAO FANGATAHANA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Fitsarana ady madio) ao amin’ny toeram-ponenan’ny toriana