FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA FARAVOHITRA.

⚖️ Lahateny nataon’Andriamatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

➡️ Fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana ireo asa vitan’Itompokolahy IRAMANJAFINIMALO Rafaly Omega, Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja.

🌑 Teny Fisaorana avy any amin’ny ankohonan’Itompokolahy IRAMANJAFINIMALO Rafaly Omega, Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja.

➡ Izahay ankohonan’Itompokolahy IRAMANJAFINIMALO Rafaly Omega, Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja dia manolotra ny fisaorana sy fankasitrahana ny Ministeran’ny Fitsarana manontolo izay tarihin’ny Ministry ny Fitsarana tonga nidodododo, nifanome tanana, nampahery anay fianakaviana nandritra ny fotoana sarotra rehetra nanomboka teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza, nitondra azy taty Antananarivo fonenany ka hatramin’ny nanaterana azy tany amin’ny fasandrazany.

➡ Isaorana ihany koa tamin’ny fanomezana mariboninahitra azy farany izay notarihin’Andriamatoa Minisitra sy Ramatoa Sekretera Jeneraly.

➡ Andriamanitra manakarem-pahasoavana hanonitra ny vola aman-karena, ny hery sy ny fotoana laninareo tsirairay taminay telo mianaka.

Misaotra indrindra Tompoko

➡️ Fisaorana sy fankasitrahana ireo rehetra nandray anjara tamin’ ny atrikasa fikaonan-doha ho « Fampitoviana ny fanasaziana ny halatra lavanio » natao tao amin’ny Hotel Splendide Toamasina sy ny « Fikaonan-dohan’ny Mpitsara manoloana ny fiandrandran’ny mpisitraka ny Fitsarana » natao teny amin’ny CCI Ivato.

💡 Ireo no nivoitra, taorian’ny fananganan-tsaina teto Faravohitra androany Alatsinainy 18 Jolay 2022, tamin’ny lahateny (fampitam-baovao sy toromarika) nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François, izay atolotra manontolo tahaka izao.