FITSIDIHAM-PARITRA NATAON’NY MPITAHIRY NY FITOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA.

📌Tonga nanao fitsidiham-paritra tany Antalaha ny Zoma 01 Jolay 2022 ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François niaraka tamin’ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

⭕Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana teo amin’ireo olo-manankaja teo an-toerana ary narahana ny fanolorana fanomezana (micro, baffles, lampadaires) ho an’ny Fitsarana Ambaratonga Voalahany Antalaha ary koa nametrahana ny vatofototra ho an’ny trano fitahirizana anton-taratasy (salle d’archives) sy ho an’ny soram-piankohonana (état civil).