Famoahana mpianatra ho Mpisolovava.

📸 Pejy an-tsary 24 Jona 2022.

📌 Famoahana mpianatra ho Mpisolovava.

⭕ Tontosa androany 24 Jona 2022 tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny famoahana ireo mpianatra ho Mpisolovava 39 izay misalotra ny anarana « ARO MIASY. Faha-XV amin’ny andian’ny Mpisolovava izy ireto.

⭐ Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.