Nifarana androany ny « Fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany » izay natao teto amin’ny CCI Ivato.

📸 Pejy an-tsary 10 Jona 2022.

📌Nifarana androany ny « Fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany » izay natao teto amin’ny CCI Ivato.

✅ Naharitra hatelona ny fikaonandoham-pirenena ary nahatratra 600 ireo mpandray anjara avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.
Nafana ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay ary tratra ny tanjona ny amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ireo olana mitranga amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny resaka ady tany sy fananan-tany.

🔴Araka ny baikon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA dia ho tanterahana avy hatrany ny sasany amin’ireo VAHAOLANA.
Ilain’ny vahoaka ny vokatra azo tsapain-tànana.
➡ Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François dia nanamafy sy nanatintratintra izy fa ny Fitsarana dia vonona hanantanteraka ireo vahaolana izay tandrify azy.

🔺 Efa Betsaka ireo vina napetraka, indrindra fa ny Fitsarana manakaiky vahoaka sy ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fametrahana ny « e-justice » mba hisian’ny fangaraharahana. Maro ireo soso-kevitra naroso mba hampandrosoana sy hanafainganana ny asam-pitsarana, ohatra ny fanamboarana fotodrafitrasa vaovao, fanitarana ny efi-trano fiasana, ary ny fampitomboana ny isan’ireo mpianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha.
Ho tanterahana matetika ny fidinana ifotony amin’ny fampahalalàna sy Fampahafantarana ny lalàna sy ireo paikady rehetra tokony ho fantatra ny vahoaka.

⭕ Manainga ireo ratsa-mangaika rehetra hiara-misalahy aminy ny Ministeran’ny Fitsarana hanatrarana ny tanjona iombonana.