FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :
📌 Lohahevitra vaovao indray no entina ampahafantarina antsika mpanaraka ny pejy amin’ity volana jona ity. Satria moa ity volana ity dia natokana hankalazana ny volan’ny ankizy dia andeha ny mahakasika ny FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » no ampahafantarina antsika bebe kokoa.
Ny lalàna laharana faha 2007-023 tamin’ny 20 aogositra 2007 mikasika ny zo sy ny fiarovana ny zaza no mifehy ny fiahiana ny zaza na « tutelle » eto Madagasikara.
🔷 RAHOVIANA ARY NO MISOKATRA NY FIAHIANA NY ZAZA na TUTELLE ?
👉 Rehefa maty avokoa ny ray sy ny renin’ilay zaza na zatovo (marihina fa latsaky ny 21 taona ilay zaza na zatovo resahina eto),
👉 Rehefa very tanteraka na vonjimaika ihany na koa noesorina tamin’ny ray sy ny reny ny fanatanterahany ny fahefan’ny ray aman-dreny na « autorité parentale »,
👉 Ho an’ireo zaza tsy misy mpiahy izay tsy manana na ray na reny nanangana an-tsitrapo na koa tsy manana mpiahy voamarina tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana navoakan’ny Mpitsara ny ankizy na « Juge des enfants ».
🔷 INONA NO TANJON’NY FIAHIANA ?
Hiarovana ny zaza sy ho fitantanana ny fananany mandrapahafeno taona azy.
🔷 IZA AVY NO AZO ATAO MPIAHY na « TUTEUR » ?
Ny fianakaviana nipoiran’ilay zaza araka ny laharana akaiky azy indrindra.
🔷FA TSY AZO ATAO MPIAHY KOSA :
👉 Ny ankizy,
👉 Ny olona manana fahasembanana ara-tsaina,
👉 Ny olona voaheloka tamin’ny sazy mihatra amin’ny vatana sy mahafa-baraka na
👉 Ireo olona fanta-bahoaka noho ny faharatsiam-pitondrantenany.
Ny Sampandraharahan’ny Fanapariahana Lalàna eo anivon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy Fanavaozana Lalàna.