Pejy an-tsary : Andro faharoa sady farany ao Mahajanga

Andro faharoa sady farany tamin’ny Andron’ny Lehiben’ny Fitsarana eto Mahajanga, niompana tamin’ny lohahevitra « Fitantanana ny Fitsarana amin’izao vanim-potoanan’ny nomerika haikajy mirindra »

Fanafainganana ny asam-pitsarana :
Vonona amin’ny fampiasana ny nomerika ireo Lehiben’ny Fitsarana

Fanamby ny fanafainganana ny asam-pitsarana. Fitaovana sarobidy hanatrarana ny tanjona tokoa ny fampiasana ny nomerika haikajy mirindra. Nifarana androany Talata 28 Septambra 2021 teto amin’ny Hôtel Coco Lodge eto Mahajanga ny atrikasa fiofanana natao nandritra ny 2 andro, tafiditra anaty fanamarihana ny Andron’ireo Lehiben’ny Fitsarana aty amin’ny tapany Avaratry ny Nosy.

Nisy ihany koa ny fitsidihana sy fanentanana notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER) Ramatoa RANDRIANARISOA RAKOTONDRAJERY Salohy, amin’ny fampiasana ny « logiciel », « Logipénal » ho an’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI), ny « Logiciel Ilo » ho an’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana (TA) ary ny « InfoTF » ho an’ny Fitsarana ara-bola (TF), ho fanafainganana ny asam-pitsarana.