Pejy an-tsary : Roa andro ho an’ny Lehiben’ny Fitsarana tanterahina ao Mahajanga

Fanafainganana ny asam-pitsarana:
Himasoana ny haikajy mirindra

Milofo fatratra amin’ny fanatsarana ny raharaham-pitsarana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, tarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa IMBIKI Herilaza. Anisany ny fanafainganana ny asam-pitsarana. Fitaovana ilaina sy manampy indrindra ny fampiasana ny haikajy mirindra.
Nisokatra androany Alatsinainy 27 Septambra 2021 eto amin’ny Hôtel Coco Lodge eto Mahajanga, ny andiany faha-10 amin’ny 2 andro ho an’ny Lehiben’ny Fitsarana (Journées des Chefs de Juridiction – na JCJ). Toy ny tany Toliara tamin’ny fiandohan’ny volana, dia lohahevitra ny hoe: « Fitantanana ny Fitsarana amin’izao vanim-potoanan’ny nomerika na haikajy mirindra ».
Mandray anjara ireo Lehiben’ny Fitsarana eto Mahajanga, sy ireo avy aty amin’ny tapany Avaratry ny Nosy manontolo. Hitohy any Toamasina amin’ny volana ambony ny fanamarihana ny JCJ, sy ny atrikasa fiofanana miaraka aminy.