FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA FAMETRAHANA NY TONIA MPAMPANOA LALANA ETO MAHAJANGA.

⚖️ FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA FAMETRAHANA NY TONIA MPAMPANOA LALANA ETO MAHAJANGA.

📌 Haingam-mpiasa, manaja ny zon’olombelona , miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary Fitsarana atokisana sy akaikin’ny vahoaka no tanjona hoy ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République) vao napetraka teto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Mahajanga anio 27 Mey 2022, A/toa IMBIKI Cléridès.

✅ Vonona hiatrika ny asa ary efa za-draharaha raha ny tenany satria efa Tonia mpampanoa lalàna tao Antsiranana ny Tenany. Nahavita nahatratra ny tanjona napetraky ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fanenjehana ny raharaham-pitsarana (ratio condamné/prévenu) ho 70/30.
💡Atolotra anao ny sombin’ny lahatenin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, A/toa IMBIKI Cléridès.