Pejy an-tsary : Fivoriana sy dinikasa nataon’ireo mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Anosy

Fanafainganana ny asam-pitsarana :
Hanao ny tandrifiny ireo mpiraki-draharaha

Asa fa tsy kabary. Vonona ny hanao ny tandrify azy ireo mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Anosy, amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Anisany ny fanafainganana ny fanoratana ireo didim-pitsarana nitarazoka. Tanjona ny hahazo vokatra mivaingana anaty 3 volana manaraka izao. Nivoitra ireo androany Talata 21 Septambra 2021, nandritra ny fivoriana sy dinikasa notontosaina teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy.
Nitarika ny fivoriana ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny TPI Anosy, Maitre HERINATREHANA Inham Ella