FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOLOANA NY HERISETRA MIANJADY AN’IREO OLONA VARIRA.

⚖️ FANDRAISANA ANDRAIKITRA MANOLOANA NY HERISETRA MIANJADY AN’IREO OLONA VARIRA.

✅ Notanterahina tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana androany 04 Mey 2022 ny fivoriana fikaonan-doha voalohany nandinihana ny herisetra mianjady amin’ireo olona varira eto Madagasikara izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo mpisehatra momba ny zon’olombelona eo anivon’ny firenena mikambana.

➡️ Nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Ministeran’ny Mponina ary ny Zandarimariam-pirene­na. Nampitaina tamin’ireo mpisehatra ny fomba fiseho sy ny mety ho anton’ny herisetra mahazo ity vondron’olona ity. Nodinihina ihany koa ny hiarovana ny zon’izy ireo. Nanatrika ny fikaonan-doha ary nampita hafatra tamin’ny alalan’ny visioconférence ny mpanao tatitra manokana mikasika ny zon’ny olona varira.

💡 Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.