FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

⚖️ FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

✅ Tontosa tao an-drenivohitr’i Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana tamin’ny herinandro lasa teo ny fanapariahana lalàna sy paik’ady ara-pitsarana notanterahin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) ho fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana hoe « Fitsarana manakaiky vahoaka ». Tetik’asa izay notohanan’ny PAJMA.

➡️ Anisan’ny nisitraka izany ireo Ben’ny tanàna sy ny lefiny, ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana tao anatin’ny Distrikan’i Toamasina I sy II, ary ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, fa indrindraindrindra ireo mponin’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana.

⭐ Ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mikasika ny fiankohonana, ny lalàna laharana vaovao laharana 2019-008 tamin’ny 16 janoary 2020 momba ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ny manodidina ny fandovana sy ny fananan-tany, ny fampidiran-draharaha eny anivon’ny Fitsarana sy ny andraikitry ny mpirakidraharaha ary ny paik’ady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana no anisan’ny lohahevitra novelabelarina tamin’izany.

📌 Tanjona amin’izany rehetra izany moa dia ny hahalalan’ny vahoaka ireo lalàna vaovao eto amin’ny tany sy ny Firenena fa indrindra ihany koa ny hahafantaran’izy ireo ny mikasika ny paik’ady eny anivon’ny Fitsarana mba tsy hahatompotrano mihono an’ireo izay manandraharaha.
Mitohy ny ezaka izay ataon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ka toerana maro samihafa no mbola hisitraka izany fidinana ifotony izany amin’ity taona ity.