Pejy an-tsary androany alatsinainy 20 Septambra 2021 : Fananganan-tsaina teto Faravohitra

Fanajana ny fitsipi-pifehezana :
Hentitra ny Minisitra IMBIKI Herilaza

Misy foana ny zavatra tokony ho vita isan’andro. Isan-kerinandro dia misy ny tatitra mila alefa avy amin’ny sampan-draharaha rehetra manerana an’i Madagasikara, ka isaky ny zoma amin’ny 12 ora no fara-fandraisana izany. Misy ny tanjona apetraka isan-kerinandro, misy ny mari-drefy hanarahana ny fahatontosan’ireo. Jerena inona no vita, inona no tohizana, ary inona no mila hatsaraina.

Nivoitra ireo androany Alatsinainy 20 Septambra 2021, nandritra ny lahateny nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa IMBIKI Herilaza, taorian’ny fananganan-tsaina teto Faravohitra. Hentitra ny fampahatsiahivana sy fanentanana nataony ho an’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka, amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana anaty fanatanterahana ny asa.