Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📸 Pejy an-tsary 26 Aprily 2022

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌 Tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra :

➡️ Ny Masoivohon’ny Japana, A/toa HIGUCHI Yoshihiro
➡️ Ary ny Solontena manokana an’ny Vondrona Afrikanina, SEM HAWA Ahmed Youssouf.

📌 Nanamarika ny andro anio 26 Aprily 2022 ny fitsidihana ara-pomba fanajana roa sosona teto Faravohitra avy amin’ny Masoivohon’ny Japana sy ny avy ao amin’ny Vondrona Afrikanina.

✅ Fiarahabana amin’ny nahavoatendry ny Minisitra ary niompana ihany koa ny amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ao anatin’izany ohatra ny fanatsarana ny fifidianana ho avy.

💡 Atolotra anao manontolo ny resaka nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ny Japana, A/toa HIGUCHI Yoshihiro ary ny Solontena manokana an’ny Vondrona Afrikanina, SEM Hawa Ahmed YOUSSOUF tamin’ireo mpanao gazety.