Fifamindram-pitantanana

⚖️ Fifamindram-pitantanana

➡️ Tontosa androany 25 aprily 2022 teto amin’ny Tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra nandritra ny fivorian’ny lehibe isan’ambaratongany eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny Fifamindram-pitantanana teo amin’A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisitry ny fitsarana izay sady Mpandrindra teo aloha, sy R/toa RASOLONANAHARY Vololoniaina izay voatendry ho Mpandrindra vonjimaika ny Birao Fandrindrana sy Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP).