FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY SOLOTENAN’NY UNICEF.

⚖️ FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY SOLOTENAN’NY UNICEF.
👉 Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara, A/toa Jean Francois Basse.

📌Ny tanora dia tokony hanana ny hoaviny ka ilaina ny mitaiza sy manabe azy ireny mba handehanany amin’ny làlana mahitsy. Izany no isan’ny antony nitsidihan’ny solotenan’ny UNICEF an’ny Ministry ny Fitsarana anio 05 Aprily 2022 teto Faravohitra.
✅ Ny UNICEF dia miara-miasa amin’ny Fitsarana ary mifantoka tanteraka ny amin’ny fikarakarana ireo ankizy sy Tanora tsy ampy taona voafonja. Izany no natao dia mba hanatsaràna ny fomba fiainan’izy ireo eo anivon’ny toerana manokana hitaizana azy ireo.
💡 Atolotra manontolo anao ny resaka nataon’i A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana sy ny solotenan’ny UNICEF, A/toa Jean Francois Basse arahan’ireo fanontaniana nanitikitika an’ireo mpanao gazety.