Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga

📸 Pejy an-tsary 01 Aprily 2022
⚖️ Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga (Procureur Général près la Cour d’appel de Mahajanga) , Atoa RATSIMANDRATO Jean Jacques William.

📌 Manohy ny ezaka fanatsarana nataon’ny teo aloha ary ho hamafisina ny fanamby izay napetraky ny Ministeran’ny Fitsarana : “Fitsarana manakaiky vahoaka”. Vonona hanantanteraka ireo baiko sy toro-marika mba hampandeha ny raharaham-pitsarana sy hanatrarana ny politika napetraky ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Nanasongadina ireo vina tamin’ny teboka vitsy izy amin’ny tetikasa sy politika hitondrany ny Fampanoavana Ambony :
👉 Fitantanana sy fandrindrana ary fampiharana izany eny amin’ny Fittsarana Ambaratonga Voalohany rehetra.
Atao tanjona hiarahana ny fametrahana ny Fitsarana madio, lavitry ny kolikoly, tsy mitanila, miasa ao anatin’ny mangarahara ary manakaiky vahoaka. Fitsarana haingam-piasa manana kalitao mamaly ny filàn’ny vahoaka ary manaja ny zon’olombelona.
👉 Fametrahana ny fandriampahalemana
👉 Fampahalalàna ny besinimaro ny lalàna sy fombafomban’ady ary ireo paika harahina amin’ny Fitsarana
👉 Fanazavana ny anton’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana
👉 Fanaovana petan-drindrina ny raharaha izay ilain’ny vahoaka sy ireo taratasy ilaina, ny mpiandraikitra misahana izany sy ny sandan’ny raharaha ady madio.
👉 Ho atao matetika ny fidinana ifotony amin’ny fanakaikaizana ny vahoaka.

⭐ »Omby tsy ampianarin-domano » ny Tonia mpampanao Ambony vaovao ary hainy ny làlana hitondrana sy hitantanana ary hanatsarana ny raharaham-pitsarana.