FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA (RECTIFICATION) SY NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION D’ACTE D’ETAT CIVIL)

📌 Maro tamintsika mpanaraka ny pejy no nanontany hoe ahoana no atao raha misy diso ny sora-piankohonana na koa tsy hita intsony anaty boky ilay sora-piankohonana fa rovitra na simba ilay boky. Koa amin’ity volana aprily ity dia ho entina amintsika indray ny mikasika ny fanitsiana sy ny fanavaozana ny sora-piankohonana.

➡️ Ny andininy faha 84 sy ny manaraka amin’ny lalàna laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny sora-piankohonana ihany no milaza mikasika izany fanitsiana sy fanavaozana izany.
🔷 INONA AVY ARY IREO KARAZANA SORA-PIANKOHONANA VOALAZA IREO ?
👉 Sora-pahaterahana (acte de naissance),
👉 Sora-pahafatesana (acte de décès),
👉 Sora-panjanahana (acte de reconnaissance),
👉 Sora-pananganana (acte d’adoption),
👉 Sora-panambadiana (acte de mariage),
👉 Sora-panariana (acte de rejet).

➡️ Andeha ary ho entina amintsika voalohany ny mikasika ny fanitsiana sora-piankohonana.
🔷 NY FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA (RECTIFICATION D’ACTE D’ETAT CIVIL):
⭐Ety am-piandohana dia entanina isika tsirairay avy mba hamaky tsara ilay kopia voalohany avoakan’ny Kaominina iny alohan’ny anaovan’ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny soniany satria amin’iny raha misy diso ny soratra ao anatiny dia mbola afaka ahitsin’izy ireo eo noho eo alohan’ny anomezany ilay kopia voalohany. Fa raha sanatria ka tsy hitanao tamin’iny fotoana iny lay diso ao anatiny dia tsy maintsy eo anatrehan’ny Fitsarana no hitondrana ny fangatahana fanitsiana fa tsy afaka manao na inona na inona ny Kaominina.
🔷 NY ANTONY HANGATAHANA FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA :
👉 Raha toa ka ahitana soratra diso (Oh : « Lehilahy » ilay olona fa voasoratra hoe « vehivavy », na koa hoe « Rasoa » no anaran’ny reny fa voasoratra hoe « Raso » …)
👉 Na nisy soratra latsaka nefa tokony ho hita ao amin’ilay sora-piankohonana (Oh : tsy tafiditra tao anatin’ny sora-piankohonana ny daty nahaterahana sns…)
🔷 MOMBAMOMBA NY FANGATAHANA FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA :
👉 Ilay olona voakasika na izay olona manao ny fangatahana amin’ny anarany (nomeny fahefana na raha tsy ampy taona izy dia ny rainy na ny reniny na izay olona manana fahefana aminy) na izay solontenan’ireo mpandova raha toa ka sora-pahafatesana no ahitsy no manao ny fangatahana.
👉 Atao mazava ao anaty taratasy fangatahana ny mombamomba ny mpangataka sy ilay fanitsiana tiana ho atao (azavaina ilay soratra diso na latsaka dia apetraka izay marina)
🔷 FITSARANA MAHEFA :
Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny toerana misy ilay Kaominina namoaka ilay sora-piankohonana

🔺 Ho hitantsika amin’ny herin’ny anio indray ny mikasika ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany fanitsiana sora-piankohonana izany sy ny mombamomba ny paik’ady arahina.